Ho ezahina hivoaka amin’ny volana desambra 2017 ny karan-tany miisa 3000 ho an’ny mponina eto Soavinandriana, faritra Itasy. Amin’ny alalan’ny Birao Ifotony ny Fananan-tany (BIF) no hanomezan’ny kaominina izany. Araka ny fanazavan’ny Ben’ny Tanana an’ny Kaominina Ambonivohitr’i Soavinandriana, Solofonirina ANDRIANAORINA fa mahazo io karan-tany io avokoa izay nanajary ny tany tsy mbola vita “titre” ka nanao fangatahana tety amin’ny BIF.
Tantsaha mpamboly.
Toerana mamokatra sady mety amin’ny voly rehetra ny tany eto Soavinandriana noho izy tany avy amin’ny volkano. Tantsaha mpamboly ny ankamaroan’ireo nangataka karan-tany.
Mifanaraka amin’ny fanatanterahana ny fanambin’ny fitondram-panjakana ny izao tetikasa iarahan’ny kaominina amin’ny CASEF izao.