SOAVINANDRIANA: Tantsaha 3000 hisitraka karan-tany.

Ho ezahina hivoaka amin’ny volana desambra 2017 ny karan-tany miisa 3000 ho an’ny mponina eto Soavinandriana, faritra Itasy.  Amin’ny alalan’ny  Birao  Ifotony ny Fananan-tany  (BIF) no hanomezan’ny kaominina izany.  Araka ny fanazavan’ny Ben’ny Tanana an’ny Kaominina Ambonivohitr’i Soavinandriana, Solofonirina ANDRIANAORINA fa mahazo io karan-tany io avokoa  izay nanajary ny tany  tsy  mbola vita “titre”  ka nanao fangatahana tety amin’ny BIF.

Tantsaha mpamboly.

Toerana mamokatra sady mety amin’ny voly rehetra ny tany eto Soavinandriana noho izy  tany avy amin’ny  volkano. Tantsaha mpamboly ny ankamaroan’ireo nangataka karan-tany.

Mifanaraka amin’ny fanatanterahana ny fanambin’ny fitondram-panjakana ny izao tetikasa iarahan’ny kaominina amin’ny CASEF izao.