Distrika fito no mandrafitra ny Faritra Sofia. Ao anatin’izany Mampikony, Mandritsara, Port Berger, Befandriana, Antsohihy, Maevarano…Mivondrona ao anatin’ny fikambanana iray antsoina hoe: “Sofia Miray” ireo zanaky ny Faritra. Manoloana ny fanendrena ny Praiminisitra vaovao, Solonandrasana Olivier MAHAFALY, izay avy any amin’iny faritra iny dia naneho fankasitrahana ny Filoham-pirenena izy ireo.
Ankoatran’ny maha Lehiben’ny Governemanta azy, mbola misahana ny ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana ny tenany. Mbola misy Ministra hafa miisa roa, zanaky ny faritra, mitana ny Ministeran’ny Asa Vaventy, Eric RAZAFIMANDIMBY ary Bary Emmannuel RAFATROLAZA kosa Minisitra lefitra misahana ny raharaham-bahiny miandraikitra ny fifandraisana sy ny Fampivoarana.
“Miarahaba sy mitso-drano ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta iray manontolo izahay ary mankasitraka ny Filohan’ny Repoblika, Hery RAJAONARIMAMPIANINA”, hoy Patrice BEATREFINA, Filohan’ny Fikambanana.
Georges Raoul liked this on Facebook.
Lanto Andrianarivony liked this on Facebook.
Lynda Andriatsitonta liked this on Facebook.