Tsy araka ny lalana ny didy navoakan’ny HCC na Fitsarana Avo momban’ny lalam-panorenana araka ny nambaran’ireo solombavambahoaka manohitra ny fitondrana, « Didim-pitsarana ara-politika iny fa tsy araka ny lalam-pananorenana » . Ankoatra izany,tsy mifanaraka amin’ny fiampangana nataon’ireo solombavambahiaka miisa 121 ny Filoham-pirenena izany. « Tsy atokisana intsony ny HCC fa mitongilana any amin’ny fitondrana ». Noho izany, hitory ny filohan’ny fitsarana avo momban’ny lalam-panorenana izy ireo araka ny lalana 133 mba tsy hisian’ny maty manota. « Tsy vitany atao amin’ny andro alina ny valim-pitsarana fa mbola amin’ny tambazotra aterneto ihany no amohana azy ». Mibaribary loatra ny tsy fisian’ny mangarahara nandritra ny famoahana iny didim-pitsarana iny, hoy ny solombavambahoaka Jean Jacques Rabenirina. Tokony natao am-pahibemaso fa tsy ankinafinafina ary navoaka mivantana tamin’ny haino aman-jerim-panjakana ny fotoam-pitsarana izay zava-dehibe amin’ny fiainam-pirenena mihitsy. Nambaran’ireo Birao maharitra ny Antenimierampirenena fa efa hatramin’izay ny HCC no nanao io fehitsika io . Tompon’andraikitra amin’ny mety hitranga ny HCC, hoy izy ireo.
Nizara vaomiera maro mihitsy ny Birao Maharitra hijery akaiky fandehan-draharaha mahakasika ny fiainam-pirenena ka ny sokajy politika no nitafatafa tamin’ny mpanao gazety ary nanao izao fanambarana izao. Nohamafisin’ity farany ihany koa fa matoa izy ireo mijoro, tombontsoan’ny firenena no katsahiny ary mitombona sy ara-drariny ny fitoriana nataon’izy ireo.
Lynda A.
Aleo zay mihitsy fa tena tsy milamina reo HCC reo tena mampimehy hozy ny tenin’ny zatovo sy tanora ankehitriny, ary rehefa tena mbola te hiala pas ihany dia aleo tonga dia anaovana grève général hanaovana izay hilan’nizy ireo eo dia aleo koa ny Filoha mba hanao exilé politique fa mahasosopaty e
Vivan Andriambolamorasoa liked this on Facebook.
Ramino Luny Thierry liked this on Facebook.
Ticah Angelita Dove liked this on Facebook.
Lynda Andriatsitonta liked this on Facebook.
Loruse Fani liked this on Facebook.