SOLOMBAVAMBAHOAKA: Mamitaka ny mpifidy azy ireo mahaleo tena raha mikasa iadany amin’ny vondrona IRMAR, Kolektifa, Firaisankina

Tsy hisy ny “majorité absolue” fa tsy maintsy “majorité relative” no hitranga eny amin’ny Antenimierampirenena, araka ny fanazavan’ny KMF/CNOE –Fanabeazana Olom-pirenena, ny 20 jona 2024, teny Antanimena. Manafatra ireo kandida mahaleo tena izay ho voafidy solombavambahoaka ny fikambanana mba tsy iadany amin’ny vondrona politika IRMAR na Kolektifa na Firaisankina. “Fivadihana amin’ny safidin’ny olom-pirenena ny filazan’ny tsy miankina hiditra ao amin’ireo vondrona ireo. Nisy kandida avy amin’ny vondrona politika tao amin’ny toeram-pifidianana nisy anareo fa maninona no ianareo no nofidian’ny olom-pirenena? Karazany mivadika amin’ny safidin’ny olom-pirenena ianareo raha mikasa iadany amin’ireo vondrona ireo”, hoy ny Filoha nasionalin’ny KMF/CNOE, Namearison Robert. Nanambara ihany koa ny birao nasionalin’ity fikambanana mpanaramaso ny fifidianana ity fa teboka maro no mila arenina raha ny zava-misy nitranga taloha, nandritra ny fifidianana. Anisan’izany ny famoahana ny didim-panjakana dimy momba ny fifidianana tamin’ny fotoana samihafa izay tsy mampitovy ny erijikan’ny kandida. Nanjaka ny fampielezan’entana sy vola nandritra ny fampielezan-kevitra izay tsy mifototra amin’ny asan’ny Antenimieram-pirenena. Mibaribary ny fampandaniana sy fampandresena kandida ataon’ny mpiasam-panjakana, ny olom-boafidy ary ny Sefo fokontany, mivantana na ankolaka. “Nirahina ve sa naniran-tena? Mampitanila ny tena safidim-bahoaka izay tena fototry ny demokrasia izany”, hoy ny KMF/CNOE. Fohy ny fotoana nampiofanana ireo mpikambana anaty biraom-pifidianana. “ Zara raha tapak’andro, teo amin’ny adiny iray ka lasa misy fiatrainkany amin’ny fifidianana ”. Tsy tomonbana ihany koa ny fampitana ny fiofanana ka tsy ampy ifehezan’ny mpiofana ny andraikiny izany.  Iva loatra ny “isoloir” na ratsy toerana ka tsy afaka miantoka ny fahalalahan’ny olom-pirenena hisafidy araka ny nahimpony. Miverina indray ny fividianana ny vaton’ny mpifidy, ny hala-bato, ny “bulletins pré-cochés”, ny fahatapahan-jiro izay mariky ny fihemoran’ny kalitaon’ny rafi-pifidianana (système electoral). Manoloana izany, mitaky ny hanatsarana ny rafi-pifidianana ny KMF/CNOE. Ny fanitsiana ny lalàm-panorenana no ahafahana manatsara izany. Andininy maromaro no tokony ahitsy toy ny andininy faha-3, 5, 24, 46, 55, 70, 72, 114, toko II manontolo, 161, 162, 166 ary ny 168. Tazonina kosa ny dingana tsara efa vita, ohatra ny andininy faha-163 izay mamaritra ny fotoam-piasan’ny Filoham-pirenea. Manampy izany ny fanatsarana ny lalàna mifehy ny fifidianana  sy ny fitsapa-kevi-bahoaka, ny lalàna momba CENI, ny HCC, ny lalàm-pifidianana.

Lynda A.