Solombavambahoaka manohana ny fitondrana: Tsy mazava ny fitantanam-bola ao amin’ny Antenimierampirenena .

Efa hatramin’ny taona 2014 no tsy nisy ny tatitra nataon’ny birao maharitra ao amin’ny Antenimierampirenena araka ny fanambarana nataon’ireo Solombavambahoaka manohana ny fitondrana. Manoloana izany, nampiantso mpanao gazety izy ireo  tany amin’ny Lapa Tsimbazaza ihany.

Nihena antsasany ny taratasin-tsolika na “ticket de carburant”ho an’ireo Solombavambahoaka, hoy Andriamalala Harijaona. Raha nanontany ny minisitera voakasika izany anefa izy ireo dia nambaran’ity farany fa 80 isan-jato ny tetibola 2015 dia efa nomena. Ankoatra izany, maro ireo solombavambahoaka no tsy mahalala fa misy trano fandraisam-bahiny efa natokana ho azy ireo, izay tsy ampahafantarina azy mihitsy, hoy izy. Nohamafisiny ihany koa fa efa navoakan’ny fanjakana ny tetibola momban’ny saran’ny fitsaboana azy ireo. “Tsy araka ny tokony ho izy akory anefa no azon’izy ireo”

Mangataka ny fitsirihana sy fanadihadiana mahakasika izany izy ireo mba hisian’ny mangarahara. Manainga ny birao maharitra noho izany ireto farany hamoaka ny antsipiriany ny fitantanana ny tetibola rehetra.

Lynda A.