Tsy ny fahatanterahan’ny tombontsoa nangatahan’ireo solombavambahoaka velively no antony nametrahan’ izy ireo fitoriana an’i Hery Rajaonarimampianina fa ny fanitsakitsahana kosa ny lalam-panorenana. Teboka maro no hitorian’ireo solombavambahoaka 121 nifidy ny hialan’i Hery Rajaonarimampianina eo amin’ny fitondrana. Anisan’izany ny tsy fisian’ny « haute cour de justice » izay tokony hitsangana 12 volana aorian’ny fianianan’ny filohan’ny Repoblika, tokony 3 herinandro aorian’ io ihany koa dia tokony hosoniavin’ny filoham-pirenena ny volavolam-dalana lany teny amin’ny antenimierampirenena. Tsy voahaja ihany koa ny « laïcité de l’Etat », tokony hitsangana ny CENI fa tsy mbola CENIT ihany,… Ankoatra izany, « mahatsapa ny fahorian’ny vahoaka nifidy anay izahay » , hoy ny solontenan’ireo solombavambahoaka mangataka ny fialan’ny filohan’ ny repoblika. Tsy nahavita ny adidiny ho fampandrosoana ny firenena sy nanitsakitsaka ny lalam-panorenana noho izany ity farany. « Tsy manongam-panjakana izy ireo fa mangataka ny rariny », hoy hatrany ny solontenan’izy ireo. Araka ny lalana raha ny fanambaran’izy ireo hatrany, manana 15 andro ny fitsarana avo momban’ny lalam-panorenana hanomezana teny farany. Mitondra ny feon’ny vahoaka ny solombavambahoaka ary tsy manaonao foana raha nanatitra ny fangatahana ny ialan’i Hery Rajaonarimampianina. Vokatra izany, mangataka ny ialan’ity farany izy ireo raha tena olon-kendry marina.
Lynda A.
Sandrine Ly Bernarson liked this on Facebook.
Lynda Andriatsitonta liked this on Facebook.
Nirina Lalao Claude liked this on Facebook.