TAFO MIHAAVO: Zava-dehibe ny andraikitry ny fokonolona amin’ny fitantanana ny harena voajanahary.

Tambazotra mampivondrona ny fokonolona amin’ny fitantanana ny harena voajanahary ny Tafo Mihaavo. Misy mihitsy ny lalana  miaro ny zon’ny fokonolona dia ny didy  laharana 73-009 ny 24 martsa 1973. Noho izany, “eken’io lalana io fa zo feno maha fototra iaingan’ny fivoarana lovain-jafy ny fokonolona ka izy no tompon’ny harena voajanahary amin’ny faritra misy azy ary tsy azo dinganina izy amin’ny fitantanana an’ireo”, hoy ny Filoha Lefitry ny Tafo Mihaavo, Louis de Gonzague RAZAFIMANANDRAIBE.

Ho fanatrarana ny tanjon’ny fikambanana, efa voafaritra sahady ny vinan’asa rehetra ho tanterahina hatramin’ny taona 2020. Anisany nampidirina ao anatiny ny fitantanana ny harena an-dranomasina.

Manoloana izany, tafatsangana nandritra ny fivoriambe ny Tafo Mihaavo ny 19 ka hatramin’ny 22 jona 2017 teo ny vaomiera hisahana izany.