Hatramin’ny BEPC ihany matetika no farany diplaoma hananan’ireo tanora mpilalao ny taranja baolina lavalava. “Ny tsy fahampian’ny enti-manana no antony lehibe mahatonga izany”, hoy i Jean Heriniaina RAKOTONDRAFARA, ny Filohan’ny Fikambanan’ny tanora mpanao rugby. Ho fampivoarana ireo fileovana mpikambana , anisany miara-miasa amin’ny fikambanana ASTAFIM, ny Antenimierandoholona ary ny Tale Jeneralin’ny sampandraharahan’ny fananantany ny fikambanana mampivondrona tanora mpanao rugby.
“Misy fiantraikany amin’ny fampandrosoana ny tanora eny amin’ny faritra iva ny lalao baolina lavalava”, hoy ny Filohan’ny ASTAFIM, Fulgence RAMAMONJISOA. Noho izany, atao izay hanosehana ireo tanora mpilalao ireo. Nanamafy ihany koa ny Talen’ny kabinetran’ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Milijaona RADO fa hitondra ny hetahetan’ny fikambanana eny anivon’ny governemanta amin’ny maha solontenan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny Antenimierandoholona amin’ny lafiny sosialy sy ekonomika ny Antenimierandoholona.
Ho fanamafisana ny fiarahamiasa, nanatanteraka fifampiarahabana nahatratry ny taona izy ireo androany.
Manana tanjona hanangana toeram-piofanana momban’ny teny sy sekoly momban’ny baolina lavalava natokana ho an’ny ankizy ny fikambanana.