Ho “fanarenan-kasina” indray ny kolotsaina Malagasy ny fanomezana lanja ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy. Tarigetran’ny fikambanana Fitohasina sy ny tranoben’ny koltoraly Malagasy rahateo ho entina amin’ity taona ity izany. Ny 28 martsa 2017 no hanitsaka ny taona vaovao ny Malagasy raha manaraka ny tantara. “Amin’io fotoana io no tsinana ny volana na ny Alahamady”, hoy i RAMAMONJISOA Mbola Tina, Filohan’ny fikambanana Fitohasina.
Mialoha ny ny fety, marobe ny fomba entina miatrika izany toy ny fanaovana harendrina mirehitra afo, ny “afo tsy maty” izay maneho ny endrik’Andriamanitra Fahazavana ary ny “tsimandrimandry”. Ny alin’ny 27 martsa no hanatanterahana izany.
Ny ampitson’iny kosa, natao hiravoravoana tanteraka. Zava-dehibe amin’io andro manankasina io ny “tatao”. Araka ny fanazavana, endrika lehibe ifanaovan’ny soa sy ny fahamarinana io satria eo no hizarana ny vary amin-dronono tondrahan-tantely.