TAOMBAOVAO MALAGASY: Averina ny hasin’ny fomba amam-panao Malagasy.

Tsy fandaniam-potoana na fitia te hisehiseho ny fankalazana ny taombaovao Malagasy ho an’ny Fikambanana Fitohasina sy ny tranoben’ny koltoraly Malagasy. Entina hanarenan-kasina ny fomba amam-panao Malagasy no antony hanaovana izany. “Betsaka no tsy mahalala akory ny hevi-dehibe fonosin’ny taom-baovao Malagasy na Alahamady”, hoy i David RAKOTO, mpikarakara. Ka amin’ny faha-28 ny volana martsa 2017, ampahafantarina azy ireo ny antony hankalazana izany  sy ny hasin’ireo fomba amam-panao tanterahina mandritra ny fety.

Nambaran’ny Mpanjaka Andriambahoaka Afovoantany  fa fsy afa-misaraka amin’ny Alahamady mihitsy ny “afo tsy maty”, ny  tatao na fizarana vary amin-dronono tondrahan-tantely, ny tsimandrimandry izay tanterahina ny alina mialoha ny fety ary ao anatin’izany indrindra no hilalaovana harendrina.

Andro firavoravoana tanteraka ny fankalazana ny taombaovao Malagasy ka eny Mahamasina no fotoana ny 28 martsa 2017.