Mampanintona ny maso, ny endriky ny sakafo misy haingony. Ho an’ireo tsy zatra mihinana legioma aza dia voasintona hanandrana izany. Ny fitaovana nampiasaina no mahatonga azy io. Ankehitriny, kojakoja maro no nivoaka hanamorana ny fikirakirana ny lakozia fa indrindra amin’ny fikarakarana sakafo. Ireny hotely lehibe ireny no tena mampiasa azy. Vokatry ny firoboroboan’ny mpaninjara ireny fitaovana ireny anefa dia afaka mampiasa ny any an-trano. “Ny Tatoo Magic izao no nampiditra voalohany ireo kojakoja fitetehana legioma teto Madagasikara”, hoy ny Tompon’ny orinasa, Emilienne RAMONJA.
Fitaovana misy antoka avokoa no varotan’ny orinasa. Nambarany fa marika tsara avokoa ny entana amidiny ary nafarana avy any Eropa.
Mandray anjara amin’ny foaran’ny sakafo eny amin’ny Alliance Française Andavamamba ny Tatoo Magic raha te hanjifa izany fitaovana izany.
Nirina Lalao Claude liked this on Facebook.
Joro Parson liked this on Facebook.
Léa Irène Harilalao liked this on Facebook.
Lynda Andriatsitonta liked this on Facebook.