Mazoto mamboly mucuna ny tantsaha ao Vakinankaratra. Fitambarana teknikam-pambolena manampy ny tantsaha amin’ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ho fiarovana ny tontolo iainana ny “agro-écologie”. Santionany amin’io fomba fambolena maharitra io ny voly rakotra ary anisany mahasarika ireo tantsaha any amin’ny faritra Vakinankaratra, toerana hiasan’ny tetikasa Manitatra II. Hatramin’izay nidiran’ity tetikasa sahanin’ny GSDM (fivondranan’ireo mpisehatra matihanina amin’ny agro-écologie) ity dia tsy nitsaha-nitombo ny filàn’ny tantsaha ireo masom-bolin’ireo zava-maniry fatao rakotra toy ny “mucuna”, stylosanthes, kazanus (ambatry na amberivatry), thephrosia sy ny maro hafa. Ho an’ny “mucuna” manokana dia efa maro ireo tantsaha ao Antsirabe sy ny kaominina manodidina no mamboly sy mampiasa azy ity noho ny fahitan’izy ireo ny vokatsoa azon’ireo tantsaha mpiara-monina aminy nahazo fiofanana momba ny “agro-écologie”. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny tetikasa, Herinionja Toky, taorian’ny famaranana ny andro natokana ho an’ny “agro-écologie” ny 20 martsa 2020 tao an-tampon-tanàn’Antsirabe fa hatreto mbola tsy azo hohanin’ny olombelona ny mucuna fa afaka atao sakafom-biby satria ambony be ny matière grasse ao aminy. Anisany mandraoka bibikely ihany koa ity karazana légumineuse ity.
Mihena 50 %
Nambaran’ny tekinisianina momba ny “agro-écologie”, Herinionja Toky fa fepetra telo no takiana amin’ny voly rakotra: tsy kitihina loatra ny tany fa ezahina rakofana, manao fifandimbiasamboly sy fifampivadiamboly ahafahana mahazo ilay rakotra. Rehefa tena mampihatra azy io dia ny iray amin’ny taona roa tokony misy rakotra. “Ohatra raha katsaka sy rakotra no ataonao amin’ity taona ity dia mahazo rakotra hambolena vary amin’ny fotoam-pambolena manaraka. Ny vary anefa tsy misy rakotra dia dikan’izay ny manaraka mila mamboly rakotra indray ianao”, hoy izy. Nohamafisin’i Lalaina, tantsaha (paysan leader) iray ao amin’ny kaominina Ambohimandroso, nahazo fiofanana momba ny teknikam-pambolena maharitra fa “tena mampihena ny fandaniana ny fampiasana ny agro-écologie raha tsy hilaza afa-tsy ny voly rakotra. Sady tsy miasa ny tany intsony, mihena ny fiavahana. Ilay mucuna mitondra azote ho an’ny fambolena vary an-tanety ho an’ny taona manaraka, tena mihena ny asa sy ny fandaniana. Raha ho ahy manokana, mihena 50% ny fandaniana, miha mavaina ny asam-pambolena rehefa mampiasa ny teknika agro-écologie ary rehefa mihamasaka ny tany dia mitombo ny vokatra”. Raha tarehimarika nivoaka nandritra ny atrikasa nanaovana tomban’ezaka ny tetikasa, ny 29 novambra 2019 tao Antsirabe dia telo ka hatramin’ny dimy taonina isaky ny hektara ny voka-bary miakatra tamin’ny fampiasana ny teknikam-pambolena “agro-écologie”. “Raha ny fomba fambolena nentim-paharazana anefa dia zara raha mahazo iray taonina sy sasany isaky ny hektara”, hoy ny solontenan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra nanatrika ny atrik’asa.
Ahitana ny masomboly
Raha ny eto Madagasikara dia efa maro ireo mpisehatra amin’ny fivarotana masom-boly no mivarotra mucuna. Raha any Androy dia ao amin’ny CTAS. Ho an’ny GSDM izao dia any amin’ireo tantsaha mandeha irery ao amin’ny Faritra Itasy (Miarinarivo) no mividy masom-boly mucuna. “Efa mucuna maromaro ihany koa no tafiditry ny tetikasa teto Vakinankaratra satria anisany mamoa voa be izy io. Manantena izahay fa efa betsaka ny filàna mucuna no hita eto Vakinankaratra amin’ireo tantsaha miara-miasa amin’ny tetikasa”, hoy ny lehiben’ny tetikasa Manitatra II. Traikefa avy any Brésil ny voly rakotra. “Ry zareo brésilien rehefa mikitika tany be dia lasan’ny rano daholo ny tany satria mitovy ny eto amintsika, be orana”, araka ny fanazavan’ny teknisiana Herinionja Toky. Nampidirina teto amintsika io teknika io dia nandrama ary nety, nahitan’ireo tantsaha tombontsoa. Fanampin’izany dia zava-maniry nafarana avy any ivelany ny mucuna. Mety amin’ny tany rehetra ity kazarana rakotra iray ity saingy misy ihany ny tany tsy ety aminy toy tany miandron-drano loatra.
Hianarana any an-tsekoly
Mitondra vokatsoa marobe ho an’ny tantsaha ny fampidirana ny « agro-écologie » any an-tsekoly. Sahan’asa iray ao anatin’ny tetikasa Manitatra II, famatsiam-bola avy amin’ny vondrona eraopeanina miaraka amin’ny Comesa, ny fampidirana ity fambolena maharitra ity ao anaty fandaharam-pianarana. Ho an’ny faritra Vakinankaratra dia kilasy fahenina sy fahadimy misandrahaka amin’ireo sekoly miankina amin’ny fanjakana (CEG) sy tsy miankina miisa 12 no misitraka izany. Ny 06 novambra 2018 no notontosana ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny GSDM momba ity tetikasa ity ary maharitra telo taona. “Tanjon’ny tetikasa amin’ny ankapobeny dia ny fampahafantarana ny ankizy dieny mbola eny amin’ny CEG ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny teknikam-pambolena mifanaraka amin’izany […] Rehefa tafita amin’ny fianarana na tsia izy ireo dia efa mahalala ny teknikam-pambolena maharitra”, hoy ny lehiben’ny tetikasa, Herinionja Toky. Nizara roa ny andro natokana ho an’ny “agro-écologie” notanterahina ny 19 sy ny 20 martsa 2020 tao amin’ny faritra Vakinankaratra. Fitsidihana ireo saha sekoly nanaovana fampiharana no nanamarihana ny andro voalohany sy ny andro faharoa, tapany maraina.
Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo
“Tsy araky ny eritreretinareo fa sekoly tsy miankina izy ity fa ankizy avy any ambanivohitra lavitra avokoa ny ankamaroan’ny mpianatra eto ary nisy fiantraikany lehibe tamin’ireo tantsaha”, hoy ny tale mpanatanteraky ny GSDM, Rakotondramana nanazava tamin’ireo mpitsidika ny maha zava-dehibe ny fampidirana ny “agro-écologie” ao anaty fandaharam-pianarana, nandritra ny fitsidihana saha sekoly tao amin’ny “Lycée privé Aina”. Nohamafisin’ny sekretera jeneralin’ny “collège privé Aina” fa “mpianatra avy any amin’ny dimy ka hatramin’ny 10 kilometatra ireo mpianatra, vitsy no mipetraka amin’ny manodidina. Misy ny sasany ny maraina ihany no misakafo, tsy misakafo intsony ny atoandro fa rehefa hariva mody indray”. “Faly izahay nahazo an’ity tetikasa ity hampianarana ny ankizy ireo teknika ary ho tafitan’izy ireo any amin’ny ray aman-dreny ny lesona nampianarinay”, hoy izy. Nambarany fa isaky ny fizarana “bulletin” dia manome fiofanana ho an’ireo ray aman-dreny momba ny teknikam-pambolena maharitra ny sekoly. “Hoatr’izay hatrany isaky ny telovolona ary tena mampihatra izy ireo ary hita ny fiantraikany, mba misakafo ireo ankizy”. Tamin’ity taom-pianarana 2019-2020 ity dia katsaka sy voanemba no nambolen’ny sekoly. Mbola ao anatin’ny “activité parascolaire” no hampianarana ny “agro-écologie”. Efa an-dalam-pikarakarana ny dingana rehetra tokony ho arahina, hampidirana ity teknikam-pambolena ity ho ao anatin’ny rafi-panavaozana ny fampianarana (PSE), ho lasa taranja hampianarina manerana ny sekoly eto Madagasikara ny GSDM amin’izao fotoana izao.
Lynda A.