Ilaina fitandremana. Nasehon’ireo mpianatra ao amin’ny zana-tsehatra serasera (COMMO), FLSH (Faculté des Lettres et Sciences Humaines), oniversiten’Antananarivo tamin’ny alalan’ny lalao ny zava-misy amin’ny fampiasana ny tambazotran-tserasera (Facebook). Hita tamin’izany fa maro ireo mampiasa io fitaovan-tserasera io hanarahana maso ny fiainan’olona, ary vitan’izy ireny ny mi-« pirate » ny kaonty mba hanalam-baraka na hanaovana « filan-dratsy ». Noho izany, « ilaina fitandremana ny fampiasana ny tambazotran-tserasera ary tsy tokony alefa amin’izy ireny ny fiainana iray manontolo indrindra ny fiainana manokana », io no hafatra nampitain’ireto mpianatry serasera ireto nandritra ny « Soamiditra » andiany faha-13, ny 06 martsa 2020 teny Tsiadana. Hetsika fanao isan-taona izy ity ho fandraisana ireo mpianatra vaovao, taona voalohany (L1) sy M1, araka ny fanazavan’i Andriharisonlimberaza Hitler, mpianatra L1. Nambarany fa ho fifankahafantaran’ireo mpianatra vaovao sy ireo zoky ary fampahafantarana ny lalam-piofanana serasera ihany koa ny Soamiditra.
Lynda A.