Nanisy tsindrim-peo ny manampahefana ao amin’ny faritra Diana fa miha ritra ny rano ao an-toerana, indrindra ao Antsiranana. “Ripaka ho amin’ny arina fandrehitra ny ala, noho ny filana eo andrenivohitra sy noho ny tsy fananan’ny tantsaha fidiram-bola. Tsikaritra miha ritra hatrany ny rano. Mahazo vahana ny filaharan’ny bidao mavo amin’ny fanovozana rano fisotro madio, izay tsy fahita teo amin’ny tantara. », hoy i Horace Patrice, Sekretera Jeneralin’ny Kaominina Renivohitra Antsiranana, nandritra fanokafana ny atrikasa fampiofanana mpanao gazety, ny 24 mey 2023 tao Antsiranana. Ny tetikasa Forests 4Futur na F4F, tohanan’ny GIZ sy ny Justdiggit no nikarakara ny fiofanana ho fanatevenana ny mpandray anjara amin’ny fanarenana ny tontolo iainana. Mpanao gazety 17 ka ny 12 avy any amin’ny Faritra Diana ary ny 5 avy eto Antananarivo no niofana, nifampizara traikefa nandritra ny hateloana, ny talata 24 hatramin’ny zoma 26 mey tao amin’ny renivohitry ny Faritra Diana ireo mpanao gazety ireo. Noratovin’ireto farany ny fanatevenam-pahalalana sy traikefa amin’ny sehatry ny vina ho fanatsarana ny tontolo iainana, ny zavaboaary, ny fandrakofana ala. Nizara ny traikefany ho amin’izany fankafizana ny seraseran’ny tontolo iainana izany ny teknisianina eo anivon’ny tetikasa F4F izay anaty tantsoroky ny GIZ. Ankoatra ny fanatevenam-pahalalana sy serasera nentin’ny mpiandraikitra ny Justdiggit, nizara ny traikefany sy ny fampalalam-baovaony ihany koa ny tomponandraikitra eo anivon’ny Ministera mpiahy. “Afaka mifanakalo vaovao sy manovo ao amin’ny tranokala ary ny pejin’ny Ministera isika mpanao gazety rehetra.”, hoy Luciano Razafimahefa, Talen’ny seraseran’ny Ministera an’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovainjafy. Misalotra ny andraikitra ho masoivohon’ny tontolo iainana ireto mpanao gazety nahavita fiofanana ary hiitatra tsikelikely amin’ny mpiasan’ny haino aman-jery maro izany, indrindra eto Andrenivohitra ny fiofanana.
Tosika ho an’ny marary hoditra
Anisan’ny misitraka ny tetikasa ireo vondron’olona ifotony na VOI ao amin’ny Distrikan’Antsiranana faha-II. “Mananika ny velarantany 60 hektara no tohanan’ny GIZ amin’ity tetikasa F4F ity eto amin’ny faritra misy anay. Fambolena vary an-tanety, voanjo, hazo no tena ilofosanay. Mahatsapa tombotsoa izahay amin’ny fivelomana sy ny fidiram-bola amin’izao tetikasa izao », hoy i Augustin, Filohan’ny Vondron’olona Ifotony ao Sadjoavato. Nambaran’ny Ben’ny Tanana Anketrikabe, Ruphin Georges, manoloana ireo mpanao gazety 17 nanatanteraka ny angom-baovao hatrany tany Diego II fa sady aro afo, ireo voly avotra no sady mampidi-bola no fanarenana ny tontolo iainana. « Raha tsara ny vokatra ka mahatratra amin-taoniny maro, any Antananarivo no amidy ireto voaanjo izay matoy afaka iray volana ireto. », hoy izy. Ny tontolo andron’ny alarobia 25 mey ireto mpiasan’ny haino aman-jery ireto no nirohotra tamina lalana 60km mihazo ny lalam-pirenena faha-6 nanatanteraka io « fanadihadiana lalina » io, tamin’ireo toerana ikatrohan’ny tetikasa F4F.
Vaovao nisongadina tany Antsiranana faha-II ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo fikamban’ny masera Prado izay tantsaha fa tany ngazana no navadika ala sy toeram-pambolena. Ara-bakiteny tokoa ny tsianjerin’ny mpianatra ho an’ireto relijiozy vavy mitana angady ireto : “Izahay izao no mpiasa tany, mpiasa tany vao maraina, maizim-bava ny vilany, vao mody indray manonitra aina.” Ankoatra ny bararata be na “bambou”, ahitana voanjo, voamanga, mangahazo, tsaramaso, voatsiroroka, hazo fihinam-boa maro no nandrakofan-dry masera ny velaran-tany midadasika. Voalazan’ireo mpanao gazety avy any an-toerana fa tany ngazana izy teo fa izao niova ho toeram-pambolena midadasika izao. Bambou nafarana avy any ivelany, azo kapaina afaka telo taona ary mistiry avy hatrany ka azo kapaina hahazoana vokatra isan-taona no hazo novolen’ireo relijiozy vavy ireo. “Bambou nafaran’ny tetikasa F4F avy any Inde sy Chine ireo. Azo anaovana fanaka sy arina fandrehitra. Tsy poakaty tahaka ny “bambou” fahita isan’andro io fa feno tanteraka ka azo hanatanterahina saribao », hoy i Masera Marie Léonardine Bevahiny, lehiben’ny fikambanana Prado. Ity Relijiozy vavy ity izay nanambara fa fikambanan-drelijiozy mitory vaovao mahafaly amin’ny asan’ny tantsaha no antom-pisian’izy ireo.Voalaza fa Masera Marie Léonardine Bevahiny, lehiben’ny fikambanan’ny andriambavilanitra : “Te hiavotra”, eo Andrafiabe. Entin’ireo relijiozy vavy manatanteraka asa soa, zaraina amin’ireo marary hoditra ny vokatra manokatry ry masera avy amin’izany tetikasan’ny GIZ izany. Fanirian’ny tomponandraikitry ny tetikasa F4F ny hitaran’izany tsikelikely amin’ireo faritra maro. “Ankoatra ny asa mahatarika any amin’ireo tantsaha, ianareo mpanao gazety no mpanentana, mpanabe, mpampita vaovao ho amin’ny fanatsarana hatrany ny tontolo iainana.”, hoy i Philippe Bamigbade, lehiben’ny Tetikasa F4F Madagascar. Tsiahivina fa hatramin’ny taona 2026 ny tetikasa F4F ka ny Faritra Boeny sy Diana no sehatra ikatrohany.
Nanangona: Lynda A.