TETIKASA FANABEAZANA: Tanora 1000 niala aloha teny an-tsekoly no nahazo tombontsoa

Maro amin’ireo ankizy na tanora no tsy nandia ny varavaran-tsekoly noho ny tsy fahampiana teo amin’ny ray aman-dreny. Manoloana izany, sahirana izy ireo amin’ny fitadiavana asa vokatry ny tsy fahampian’ny fahaizana. Tanora miisa 1000 niala aloha teny an-tsekoly amin’ny faritra 3, amoron’i mania, atsinanana ary analanjirofo no nampian’ny UNESCO amin’ny tetikasa fanabeazana. « Entina hanampiana ireo tanora tsy afaka miditra amin’ny sehatry ny asa izany tetikasa izany, hoy ny tompon’ andraikitra misahana ny fanabeazana ao amin’ny UNESCO, Christina Elison. Sehatra 13 no afaka isafidianan’ireo tanora ireo toy ny asa tanana, fiompiana akoho, lakozia,… « Lalana iray hahafahan’izy ireo manana ny asany mahaleotena fa tsy hiasa aman’olona foana no tanjon’ity tetikasa ity », hoy izy. Ankoatra izany, mahazo fiofanana mikasika ny fitantanana na informatika ihany koa ireo tanora ireo. Mba hahaizan’izy ireo hitondra ny orinasany sy hahamora ny fitadiavana lalam-barotra ihany koa izany.

Mandritra ny fiofanana, asaina mamolavola tetikasa ireo mpiofana ka izay tsara indrindra dia ampian’ny UNESCO amin’ny fanatanterahana izany. Nananganana fikambanana mihitsy ireo tanora avy ao amin’ny faritra Ambositra. Hanamorana ny fanamparitahana ireo vokatra rehefa vita ny fiofanan’izy ireo no antony izany , hoy hatrany ny tompon’ andraikitra.

Lynda A.