« Firenena toa an’i Madagasikara no antenain’ny firenena mandroso amin’ny fiadiana ny fiovan’ny toetr’andro. Tetikasa maro no mahazo famatsiam- bola. Anisan’izany ny tetikasa PAGE/GIZ izay vatsian’ny vondrona eraopeanina vola ».
Ho fanampiana ny mponina hiatrika izany indrindra ny PRCCC na “tetikasa fanamafisana ny fahaizamanao sy ny takiana amin’ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro ho an’ny fampandrosoana maharitra”. Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa fanohanana ny fitantanana ny tontolo iainana (PAGE) eto Madagasikara, iantsorohan’ny GIZ miaraka amin’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (MEDD) ity tetikasa ity. Ny Vondrona Eraopeanina sy ny fanjakana Alemana amin’ny alalan’ny ministera federalin’ny fiarahamiasa ara-toekarena sy fampandrosoana (BMZ) no namatsy vola ny tetikasa nanomboka ny taona 2016 ka hatramin’ny taona 2020.
Distrikan’Ambato Boeny
Nilaza ihany koa ny filohan’ny GAR, Andriamahatratra Falihery fa nanohana azy ireo ny PAGE nanomboka tany amin’ny fambolen-kazo, ny famokarana saribao ka hatrany amin’ny famarotana ny vokatra ary nanampy betsaka tamin’ny fidiram-bolan’ny mpikambana izany. Ankehitriny, tafakatra 80 ny isan’ny mpikambana raha toa ka 20 tamin’ny voalohany. « Ny taona 2009 no nanomboka ny fambolen-kazo ary 80 hektara no efa voavoly kininina.
Ankoatra izany, mahazo tombontsoa avy amin’ny PAGE/GIZ ny OPCI – TFI Soamiray. Ao Andranofasika ny foiben’ity fikambanan’ny kaominina mitovy fijery amin’ny fitantanana ifotony sy ny fiarovana ny tontolo iainana ity. Sehatra iray iarahany roa tonta miasa ny fandrafetana ny drafitra fanajariana ny tany eny anivon’ny kaominina (SAC), ny fitantanana ny manodidina ny valan-java-boahary Ankarafantsika.
Loza ho an’ny valan-java-boahary ny afo ampiasaina amin’ny fangalana tantely any an’ala. Ho fisorohana izany indrindra ny tosika ho an’ny seha-pihariana tantely ao Ampombilava. Tohiny ny asa ataon’ny PAGE/GIZ ao amin’ny distrikan’Ambato Boeny izy ity ka nomena fiofanana momba ny fiompiana tantely manomboka any amin’ny fisamborana ny renin-tantely, ny fanamboarana trano tantely, ny fivarotana ny vokatra ireo mpahazo tombontsoa miisa 150.
Tsy afa-misaraka amin’ny fiovan’ny toetr’andro ny toby famantarana ny toetr’andro satria manampy betsaka amin’ny fahazoana antontam-baovao. Lafo dia lafo anefa ny vidin’iray amin’izy ireny ka ho fanohanana ny foibe famantarana ny toetr’andro (DGM) dia nanolotra toby famantarana ny toetr’andro miisa telo ao amin’ny faritra Boeny ny PAGE/GIZ sy ny tetikasa PRCCC. Ny 2014 no natsatoka tao amin’ny valan-java-boaharin’Ankarafantsika ny iray amin’izany ka ny MNP (Madagascar national Parks) no mitantana azy ary mandefa ny antontam-baovao any amin’ny foibem-paritry ny famantarana ny toetr’andro Boeny sy Antananarivo isaky ny faran’ny volana . Rehefa voakirakira izany dia mandefa ny vinavinan’ ny mety ho toetry ny andro any amin’ny MNP indray ny Météo Malagasy. Nanamarika ny fahazoana ity fitaovana ity ny fanamorana ny famonoana afo tao Ampombilava, iray volana lasa. “Tamin’ny alalan’ny antontam-baovao no nahafantarana ny fitsokan’ny rivotra ka nampiasaina tamin’ny paik’ady namonoana izany ka tao anatin’ny fotoana fohy dia maty ny afo. Roa hektara no may”, hoy ny tomponandraikitra mpitahiry ny MNP amin’ny fitantanana ny Ankarafantsika, Razaiarimanana Jacqueline. Nanampy fanazavana ny mpanolontsaina ara-teknika avy amin’ny PRCCC, Randrianarivelo Rolland Maminiaina fa fanomezana lanja ny antontam-baovao momba ny toetr’andro ity fanohanan ity avy amin’ny GIZ ity.“Rehefa feno ny antontam-baovao dia marina ny vinavina momba ny toetr’andro”.
Distrika Marovay
Fitaovana hitadiavana famatsiam-bola ho an’ny kaominina ny drafitra ifotony fanajariana ny tany (DIFT na SAC). Sahan’asa iray ao amin’ny tetikasa PRCCC hampandrosoana ny kaominina ny famolavolana SAC. Nahazo tombontsoa tamin’izany ny kaominina Ankazomborona Distrika Marovay. Nanomboka ny 2017 ny kaominina no namolavola ny drafitra ary ho enti-miasa mandritra ny 15 taona io fitaovana io, araka ny fanazavan’ny lefitra faharoa ny ben’ny tanàna, Celestin. Voafaritra ao anatin’ny SAC ireo tetikasa azo atao amin’ny kaominina toy ny sekoly, lalana, tohan-drano fa indrindra ny tetikasa mifanaraka amin’ny fiovan’ny toetr’andro toy ny fambolen-kazo, “tetikasa maitso”…
Roa taona lasa izay, nampidirina tao amin’ny fandaharam-pianarana tao amin’ny EPP Ankorefobe, kaominina Ankazomborona ny fiovan’ny toetr’andro. Kilasy fahatelo sy fahaefatra no misitraka izany. Noho ny fiarahamiasa amin’ny PAGE/GIZ dia nofanina ny fomba fampitàna izany isaky ny taranja ireo mpampianatra ary nomena fampitaovana enti-mampianatra momba ny tontolo iainana (Kit MAD’ErE). “Efa mizaka ny fiantraikany ny fiovan’ny toetr’andro ny kaominina misy anay. Miseho amin’ny alalan’ny tsy fahampian’ny rano izany ka mampidina ny tahan’ny vokatry ny fambolena. Miantraika any amin’ny fari-piainan’ny tokantrano anefa izany ary mahatonga ireo zaza mitsoaka an-daharana”, hoy ny talen-tsekoly Rasoamanampy Sahondra. Nambarany fa manampy amin’ny fambolena toe-tsaina hiaro sy hahay hikolo ny tontolo iainana, hamboly hazo ny fampianarana ny ankizy dieny mbola kely ny fiovan’ny toetr’andro.
Distrika Mahajanga II
Niteraka voka-dratsy ho an’ny fiveloman’ny mponina ao ny kaominina Baonamary, distrika Mahajanga II ny fikatonan’ny orinasa mpamokatra simenitra sy fiompiana trondro tamin’ny 2003. Ny famokarana saribao no hitan’izy ireo ahazoam-bola ka nirohitra nandripaka ny ala honko tao amin’ny kaominina izy ireo. Vokany, nitotongana ny vokatra drakaka sy trondro. Nambaran’ny filohan’ny vondron’olona ifotony (VOI) Fitaratra, Randriamanana Arthur mitantana ny toerana famindram-pitantanana ireo harena voanjanahary azo havaozina ao amin’ny fokontany Amboanio fa zara raha mahazo drakaka telo kilao isaky ny avy manjono. Amin’izao fotoana dia niakatra ho 100 kilao izany vokatry ny famerenana amin’ny laoniny ny honko izay potika teo aloha.
Ankoatra ny tomponandraiki-panjakana, fikambanana, koperativa miasa ao anatiny sy ivelan’ny faritra arovana dia tsy diso anjara tamin’ny tohana avy amin’ny PAGE/GIZ sy ny PRCCC ny Komanga Boeny.
Lynda A/Nirina R.