Tsy avela hiraraka an-tany fotsiny ny ra mandriakan’ireo mahery fo tamin’ny tabataba 1947. Mila tohizana ny tolona nataon’izy ireo izay niady ho an’ny tanindrazana izay nanjakazakan’ny Frantsay. Feno fito-polo taona androany ny daty manan-tantara 29 martsa 1947. Mbola bodoan’ny vahiny ihany ny harenan’ny Malagasy dia ireo Nosy Malagasy. Eo ihany koa ny fivarotana tanindrazana ataon’ny mpiray tanindrazana. Hentitra dia hentitra ny profesora Rasolofo Réné ao amin’ny antoko politika TFI (Tolona Fanorenana Ifotony) nilaza fa tsy maintsy mitohy ny tolona manoloana izany.
Raha oharina amin’ny taonan’ny olona iray ny taona nahatsiarovana ny 29 martsa 1947, dia efa ao anatin’ny fahanterana tanteraka. Efa reraka, tsy manana hery intsony. Torak’izay ny fiainan’ny vahoaka Malagasy. Anarany fotsiny ny hoe: firenena fahadimy mana-karena amin’ny harena voajanahary kanefa farany mahantra. “Rariny loatra raha tohizana ny tolona mba hianoka izany harena izany avokoa ny Malagasy fa tsy ireo olom-bitsy ihany”.
Ao anatin’izany ny fitakiana ny fanovana ifotony ny rafitra misy eto Madagasikara izay navelan’ireo mpanjanaka.
Nanatitra fehezam-boninkazo teny amin’ny tsangam-bato fahatsiarovana ireo mahery fo eny Ambohijatovo ny mpikambana ao anatin’ny antoko politika TFI androany.