Voafaritra ao anatin’ny lalana mifehy ny asa, andininy faha-98 fa manana zo hampinono ny zanany adiny iray isan’andro ny reny iray rehefa any amin’ny toeram-piasany. Nambaran’ny Ministry ny fampianarana teknika sy ny fampananan’asa, TOTO Lydia fa manan-kery hatramin’ny faha-15 ny volan’ny zaza io andinin-dalana io. Ho fanamorana ny fampinoan-dreny ho an’ny mpiasa ao amin’ny Ministera tantanany, notokanana tamin’ny fomba ofisialy androany ny efitra iray hatokana ho azy ireo.
“Vehivavy ny 50% ny mpiasa ato amin’ny Ministera ary ny ankamaroan’izy ireo dia mbola reny mampinono avokoa. Ho fanampiana azy ireo amin’ny fampinonoana ny zanany ara-dalana no nanaovana ity efitra iray”, hoy hatrany Ramatoa Ministra.
Mifanandrify amin’ny paika adin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ny fametrahana toerana voatokana ho an’ny fampinoana , eny anivony ny toeram-piasana.
Miantoka ny fahasalaman’ny zaza ny fampinonoana azy, indrindra mandra-pahatongan’ny faha- enim-bolany. Manampy ny fahiratan-tsainan’ny zaza rahateo ny fampinonoana tsy misy fangarony mandritra ny enim-bolana voalohany.