Efa tsy tambo isaina ihany izay fivoriana nokasain’ny ny mpanao politika na fikambanana milaza fa “mila ovaina ny rafitra eto Madagasikara fa mampahantra”. Nisy fehin-kevitra nivoaka tamin’izy ireny fa mba nohenoin’ny fitondram-panjakana? Ny bainga mivadika no hitsara ny tantara. Tsy nampihemotra ny TFI na Tolona ho Fanorenana Ifotony hanatanteraka atrika asa amin’ny zoma faha-07 ny volana oktobra 2016 izany.
“Tsy mahafehy ny harem-pirenena ho lasa fampandrosoana ny firenena Malagasy ny lalana misy eto. Ny vahiny no mahazo tombony”, hoy i Joseph Yoland. Noho izany, mila ovaina tanteraka ny rafitra sy ny lalana eto Madagasikara mba hitantanana ny toe-karena amin’ny alalan’ireo harena voajanahary.
Ho dinihina mandritra ny fivoriana avokoa izany rehetra izany.