Potiky ny doro tanety, ny tavy ary ny fitrandrahana tsy ara-drariny ny ala Atsinanana. Ny 25 % no hany sisa tsy simba. Mitaky fandraisana andraikitra sy finiavana ny fiarovana ireo sisa tavela. Nandritra ny fankalazana ny andro manerantany ho an’ny tontolo iainana nilaza ny Ministry ny tontolo iainana, hay voary ary ny ekolojia, Johanita NDAHIMANANJARY fa mila mankafy sy mihavana amin’ny zava-boary isika mba ho fiarovana azy ireo fa indrindra ireo biby, ny zava-maniry ary zava-manan’aina tsy hita afa-tsy eto Madagasikara. Manodidina ny 80% eo izy ireo.
Teto Foulpointe, Toamasina no nanaovana ny fankalazana nasionaly ny andro manerantany ho an’ny tontolo iainana.