TONTOLO IAINANA : “Ndao hankafy ny zava-boary ho fiarovana azy ireo”.

Potiky ny doro tanety, ny tavy ary ny fitrandrahana tsy ara-drariny ny ala Atsinanana. Ny 25 %  no hany sisa tsy  simba.  Mitaky fandraisana andraikitra sy finiavana ny fiarovana  ireo sisa tavela.  Nandritra ny fankalazana ny  andro manerantany ho an’ny tontolo iainana nilaza ny Ministry ny tontolo iainana, hay voary ary ny  ekolojia, Johanita NDAHIMANANJARY fa  mila mankafy sy  mihavana amin’ny zava-boary isika mba ho fiarovana azy ireo fa indrindra ireo  biby, ny zava-maniry ary zava-manan’aina tsy hita afa-tsy eto Madagasikara. Manodidina ny 80% eo izy ireo.

Teto Foulpointe, Toamasina no nanaovana ny fankalazana  nasionaly ny  andro manerantany ho an’ny tontolo iainana.