“Anisan’ny kitro ifaharan’ny fampandrosoana eto amintsika ireo tantsaha mpamboly sy mpiompy ka tokony hohatsaraina ny fari-piainan’izy ireo. Ny fanampiana azy ireo amin’ny alalan’ny teknisiana no fomba voalohany ahatanteraka izany”. Hatramin’izay, niady ho an’ny tombontsoan’ireo tantsaha mpamokatra ireo ny teo anivon’ny Tranoben’ny Tantsaha. Velom-panantenana tokoa ity sampan-draharaha ity amin’izao fotoana izao satria noraisin’ny fiadidian’ny filohan’ny Repoblika eo ambany fiahiany mihitsy ny Ministeran’ny fambolena .
“Raha te hampiakatra ny fari-piainan’ireo tantsaha sy hampitombo ny traikefan’izy ireo eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana dia tokony hampitomboina ireo teknisiana isaky ny kaominina”, hoy Mahatratra Solofo ANDRIANJAFY, Filohan’ny Tranoben’ny Tantsaha.
Nanamafy izany ihany koa ny Loholona no sady Filoha Lefitry ny Tranoben’ny Tantsaha , Georges RATALATA fa tokony atao eo ambany maso amin’izay ny momban’ireo tantsaha ireo izay mandrafitra ny 80% ny mponina eto Madagasikara.
Voalaza fa atsy ho atsy fia ho sompitry ny sakafo i Madagasikara. “Tsy ho tontosa anefa izany raha mbola atao anjorom-bala ireo mpamokatra ireo”. Ny fampitomboana ireo teknisiana isaky ny kaominina fa tsy ny distrika ihany no fepetra iray ahatongavana amin’izany tanjona izany. “Izy ireo no afaka hanoro ireo mpamokatra sakafo mba hanatsaran’izy ireo ny vokatra”, hoy Richard RAZAFINDRABARY.