Nandritra ny fametrahana ny filoha vaovao ny “ tribunal administratif” an’i Toamasina, Marie Patricia RAKOTOHANTAMALALA, nilaza ny Ministry ny Fitsarana mitahiry ny tombon-kasem-panjakana Charles ANDRIAMISEZA fa efa eny amin’ny fitsarana ny raharaha Cludine RAZAIMAMONJY. Nambarany tamin’ny mpanao gazety teto Toamasina ihany koa fa efa mandeha araka ny tokony ho izy io raharaha io.
Ny 02 jona 2017 no napetraka tamin’ny fomba ofisialy ny filoha vaovao misahana ny raharaha hifanaovana amin’ny fanjakana amin’ny « Tribunal administratif ». Ankoatra ny Ministra Charles ANDRIAMISEZA, nanotrona ity lanonam-panjakana tiy ihany koa ny Minisitry ny tontolo iainana Johanita NDAHIMANANJARY sy ireo tompon’andraikitra ambony ao amin’ny fitsarana.
Ireto avy ny birao vaovao mandrafitra ny fitsarana misahana ny raharaha hifanaovana amin’ny fanjakana: ny Filoha Marie Patricia RAKOTOHANTAMALALA, magistrat de 3 ème grade et 3 ème echelon, ny Commissaire Mira Arvel RAZIMAHARIVO, Magistrat 3ème grade de 2ème échelon) ary ny Conseillère
Alainasoahanamianta RALEVASON, Magistrat stagière.
Prud’Homme