TSENABEN’NY SAKAFO SY NY LAKOZIA

Niavaka ity andiany indray mitoraka ity satria afa –po taminy fanofanana manao lakozia sy mofo mamy ireo renim-pianakaviana 200 tonga voalohany nisoratra anarana ,nanampy ireo renim-pianakaviana ihany koa ny tsy fiantohana fitaovana fa tonga dia niatrika fiofanana avy hatrany.

Raha tsiahivina dia saika hita tato amin’ity foarabe ity avokoa ireo sakafo sy ireo fitaovan-dakozia tsy mbola fahita hatrizay izany hoe ireo mobilier de cuisine ,sy ireo electro menager.

Saika nomen-danja avokoa mantsy ireo sakafo sy ireo fitaovana vita avy eto an-toerana fa tsy voatery hanafatra avy any ivelany foana akory raha  ny nambarany mpikarakara Atoa Tsiory Rakotoarivao

 Nanome toky moa ny mpikarakara fa mbola ho tsaratsara kokoa ny andiany manaraka

Lynda.A