UCTU-FTAR: Mitsipaka ny fanapaha-kevitry ny CUA ireo ny fikambanana.

Manda ny  fanapaha-kevitra  lany tamin’ny fivorian’ny tsy ara-potoanan’ny filan-kevitra monisipaly Antananarivo  renivohitra ny fikambanan’ny fitateram-bahoaka an-drenivohitra (UCTU)  sy ny taxi miasa manodidina an’Antananarivo renivohitra (FTAR). “Lavinay ny fanomezana ny fanaovana ny “contre-visite ” ho an’ny orinasa tsy miankina OMAVET”, hoy ny Filohan’ny FTAR, Clémence RAHARINIRINA.

Araka ny fanazavana hatrany, efa tamin’ny volana novambra 2016 no efa  naroso tamin’ny fivoriana ara-potoanan’ny mpanolontsaina ny tanana io tetikasa  io.  Nolanian’ny mpanolontsaina ihany anefa izany amin’izao fotoana izao.  “Tsy nangataka ny hevitray akory ny kaominina an’Antananarivo Renivohitra tamin’izao fanapaha-kevitra izao”, hoy ny Filohan’ny UCTU, Bernadin.

Mitaky ny hanafoanana izany ao anatin’ny roa herinandro  ny fikambanana roa tonta satria miteraka fatiantoka ho azy ireo izany. “Voalaza ao anatin’ity fanapaha-kevitra ity fa ora iray no hanaovana ny fitsirihana, aloa mialoha ny saram-piantohana efa-bolana…” Ny  fotoana lany amin’ny filaharana, ny fandoavana ny  saram-piantohana efa-bolana be izao no  hevitra hanohanan’ireto fikambanana ireto ny heviny hanakanana fanomezana ny andraikitra  eo amin’ny fitsirihana ny fiara ho an’ny OMAVET.