Ho fahatsiarovana ny mpaminany Imam Houssen, maritioran’ny “fahamarinana sy ny rariny” ho an’ny mpino silamo, nizara rano fisotro madiosy ny ranom-boankazo maimaim-poana ny fikambanana UMMI. “Ny vono moka nataon’ny miaramilan’ny Ampanjaka no nahafaty ny mpaminany Imam Houssen. Tsy navelan’ny Ampanjaka nikasika rano mihitsy ity mpaminany ity sy ny fianakaviany ary ireo mpanara-dia azy, taloha ny namonoana azy satria teo ambany fiadidian’ny Ampanjaka ny zavatra rehetra”.
Nambaran’i Sheick Rijaly Jean Bel ao amin’ny fikambanan’ny mpino silamo UMMI na “Union des Mouballighs Malagasy Ithna Anshari” fa io fahirano natao tamin’ny mpaminany no antony nanomezan’ny UMMI rano ny sabotsy 30 septambra 2017 sady andro fahasivy amin’ny volana Moharram nialohan’ny nahafatesany.
salam,
tsy mifanaraka tanteraka amin’ny fampianarana silamo io teny voalaza eo io; satria tsy mpaminany akory Imam Hossen (as), fa Imam (Mpitarika finoana), mpandimby toeran’ny Mpaminany faranay Mohammad (saw). noho izany dia mitady fanitsina ireo teny voalaza ireo izahay. ary fialana tsiny; satria teny mamoa fady ny hilazana olona manaraka ny finoana silamo hoe Mpaminany aorian’ny Mpaminany Mohammad (saw).
Raha ny fahitako azy manokana dia azo atao ny manao fanitsiana toy izao: ny teny « Mpaminany » rehetra ao dia solona « Mpitarika ny finoana silamo »,
rehefa izay dia, tsy dia tena hivoana loatra ny fotokevitra islamika ilay lahateny.
Manantena ny fiaraha miasa.
Sheikh Rijaly