UMMI MADAGASCAR: Nosakanana tsy hisotro rano ny mpaminany Imam Houssen.

Ho fahatsiarovana ny mpaminany Imam Houssen, maritioran’ny “fahamarinana sy ny rariny” ho an’ny mpino silamo, nizara rano fisotro madiosy ny ranom-boankazo maimaim-poana ny fikambanana UMMI. “Ny vono moka nataon’ny miaramilan’ny Ampanjaka no nahafaty ny mpaminany Imam Houssen. Tsy navelan’ny Ampanjaka nikasika rano mihitsy ity mpaminany ity sy ny fianakaviany ary ireo mpanara-dia azy, taloha ny namonoana azy satria teo ambany fiadidian’ny Ampanjaka ny zavatra rehetra”.

  Nambaran’i Sheick Rijaly Jean Bel ao amin’ny fikambanan’ny mpino silamo UMMI na “Union des Mouballighs Malagasy Ithna Anshari” fa io fahirano natao tamin’ny mpaminany no antony nanomezan’ny UMMI  rano ny sabotsy  30 septambra 2017 sady andro fahasivy amin’ny volana Moharram nialohan’ny nahafatesany.