VAKSINY HIAROVANA AMIN’NY HOMAMIADAN’NY VOZON’NY TRANON-JAZA: Ho ampidrina eto Madagasikara

Tombanana ho 4.000 mahery ny vehivavy malagasy maty vokatry ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza sy homamiadan’ny nono, araka ny tarehimarika navoakan’ny  Firenena mikambana ny fahasalamana (OMS) sy Observatoire mondiale  du cancer, ny taona 2022. Vinavinaina ho 10.000 isan-taona ny zanaka lasa kamboty reny vokatry ny homamiadana mpahazo ny vehivavy. Ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza no voalohany amin’ny homamiadana mahafaty olona be indrindra eto Madagasikara. 4060 ny   tranga vaovao ary 2.690 ny vehivavy maty vokatr’io aretina io. Mitana ny laharana faharoa  ny homamiadan’ny nono. 2.875  ny tranga vaovao ary vehivavy 1.498 no maty. Ahiana ho tafiakatra 9.136 ny vehivavy ho voan’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza ary 6.473 ny homamiadan’ny nono ao anatin’ny dimy taona manaraka raha  tsy mihatra ny politika hanafoanana ny homamiadana mpahazo ny vehivavy. Mila hamafisina  ny  fanentanana hanao fitiliana mialoha sy ny fametrahana paikady ahafahan’ny marary misitraka fitiliana sy fitsaboana.

Ny fanaovana vaksiny sy  fanaovana fitiliana mialoha no fisorohana voalohany amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza sy ny nono. Ao anatin’ny paikady ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fampidirana vaksiny hiarovana amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, araka ny fanazavan’i Ratsiambakaina Diana, dokotera miasa ao amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka misahana ny tolotra fahasalamana ho an’ny daholobe, nandritra ny fampahafantarana ny asa vitan’ny Fondation Akbaraly nandritra ny 10 taona, teto Madagasikara, momba ny homamiadana mpahazo  ny vehivavy sy ny fiahiana ny ankizy, ny 11 jona 2024, teny Ankorondrano. “Ny vaksiny no fiarovana voalohany amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. Hijery manokana momba an’izay ny ministera. Efa mandeha ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra irosoana amin’izany. Tokony hanao  ny vaksiny ny tanora alohan’ny 15 taona”, hoy izy. Nanamafy izy fa paikady mahomby indrindra iarovana amin’ny homamiadana ny fanaovana fitiliana mialoha. “ Mila mahafantatra ny fitiliana momba ny homamiadan’ny nono dieny mbola kely ny ankizy. Mila  mahay mitsapa nono. Ny vehivavy rehetra efa manao firaisana, manomboka amin’ny 25 taona dia tokony manomboka manao fitiliana momba ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza”, hoy hatrany i Dr Ratsiambakaina Diana. Araka ny tatitra nataon’ny Fondation Akbaraly momba ny asa vitany teo anelanelan’ny taona 2013 – 2023 dia vehivavy miisa 79.500 no vita fitiliana momba ny homamiadan’ny nono  ary 71.500 ho an’ny fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. Ny 14 % amin’ireo no mitondra ny homamiadan’ny nono sy vozon’ny tranon-jaza. Mikarakara hetsika fitiliana maimaim-poana momba ny homamiadana mpahazo ny vehivavy ity fikambanana  ity isan-taona. Manana “Clinique mobile” ihany koa ny fikambanana hanaovana fanentanana fitiliana any amin’ireo toerana saro-dalana.

Azo avy amin’ny viriosy “huma papillomavirus” na HPV ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. Avy amin’ny firaisana ara-nofo no ahazoana izany. Fambara fa voan’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza ny vehivavy iray raha toa ka misy tsiranoka misy loko sy fofona mivoaka ao amin’ny fivaviana na mandeha rà aorian’ny fadim-bolana. Efa tranga fahasarotana raha toa ka tsy maha tafavoaka maloto ara-dalàna. Anisany mahatonga ny homamiadan’ny nono kosa ny fisotroana alikaola, fifohana sigara, fitaniana andro be loatra, ny fahalotoan’ny tontolo iainana, akora simika (fanafody famonoana bibikely amin’ny voly), ny fisakafoanana anaty vilia plastika. Mila mailo raha misy fiovàna ny habean’ny nono na misy fivontosana hafahafa na ahitana atody tarina (ganglion) ao amin’ny tenda, helika, kibo, foto-pe… Mila manatona mpitsabo ihany koa raha misy rà mandeha na miova lokon’ny hoditry ny nono.

Lynda A.