Mandray anjara amin’ny ady atao amin’ny herisetra ihany koa ireo ny mpiangaly ny Vaky Sôva. Antso an-kira mampita hafatra ho an’ny fiarahamonina iray mankany amin’ny fiarahamonina ity kolontsaina Malagasy ity. Efa nanomboka ny taona 2009 no namelo-maso azy ny fikambanana TAMBOHO BE ka amin’ny volana Aogositra ho avy izao ny hetsika Festi Sôva andiany fahadimy.
Mahazatra ny sofina ny mahare hoe: “hiran’ny ambany tanana”, “hiran’ny jiolahy” ny Vaky Sôva na tôkatôka. Nambaran’ny Sekretera Jeneralin’ny Fikambanana, RIVOSON Théogène anefa fa manan-danja eo amin’ny kolontsaina izy ity. Manaporofo izany ny hevitra fonoson’ireo tonon-kira. Ho an’ny andiany manaraka.
Laticah Randriamananjara liked this on Facebook.
Nirina Lalao Claude liked this on Facebook.
Moise Sidy liked this on Facebook.