Fikambanam-behivavy manerana ny faitra 22 manampy ny fanjakana amin’ny fampandrosoana VASIA. Manoloana ny fandraisana ny vahiny noho ny frankofonia, nampiranty ireo asan-tanany ireo vehivavy ao amin’ny fikambanana. Vokatra vita Malagasy maro no hita eny amin’ny amin’ny CENAM 67ha mandritra ny frankofonia. “Mitondra ny anjara birikinay avy any amin’ny faritra izahay ampisehoana ny maha Malagasy”, hoy i Tsinjovana Georgette, Filoha nasionalin’ny VASIA.
Nohamafisin’ity farany fa tsy manao politika ny fikambanana saingy mandray andraikitra ho fampandrosoana an’i Madagasikara.
Nanomboka omaly ary tsy hifarana raha tsy amin’ny alahady faha-27 novambra 2016 izany varotra fampiratina izany.