VATOSOA 30 TAONINA TRATRA: Ho amidy hanamafisana ny ady amin’ny tsy fanarahan-dalàna

Tonga nizaha ireo vatosoa 675 gony milanja 30 taonina latsaka kely avy any Ambatofinandrahana nentina fiara lehibe roa indray no tra-tehaka tao Ivato Afovoany Ambositra ny herinandro lasa teo ny minisitry ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika Fidiniavo Ravokatra sy ny mpiara-miasa aminy ny farany herinandro teo.

 Hentitra ny Minisitra nilaza fa hiroso hatrany ny Ministera amin’ny ady amin’ny tsy fanarahan-dalàna eo amin’ity sehatra ity. Nitondra fanazavana ihany koa ny Minisitra momba ireo vato tratra hatramin’izay. Voatahiry ao Ampandrianomby avokoa ireo vato tratra, ho amidy ireo hanamafisana ny ady atao amin’ny tsy fanarahan-dalàna. Nampahafantatra ny tenany fa hojerena araka ny lalàna ny fomba ahafahana manome tambin-karama ireo zandary sy polisy miasa eo amin’ity sehatra ity ho famporisihina azy ireo amin’ny andraikiny tsy hironan’izy ireo amin’ny kolikoly. Hikarakara atrikasa fakan-kevitra eny amin’ny Mining Business Center (MBC) ho an’ireo mpiantsehatra eo amin’ny tontolon’ny harena an-kibon’ny tany ny Ministera  momba  izay fiadiana amin’ny tsy fanarahan-dalàna izay.

Marihina fa noho ny fiaraha-miasan’ny zandarimaria sy ny polisin’ny harena an-kibon’ny tany no nahatrarana ireto vatosoa ireto satria nahitana tsy fahatomombanana ny fitaterana ireto vato ireto. Nogiazana eny amin’ny sampandraharahan’ny polisin’ny harena an-kibon’ny tany ireo entana ireo izay tombanana ho roa miliara Ariary eo ny vidiny raha ny loharanom-baovao avy amin’ny zandary sy ny tompon’entana.

Nangonin’i Lynda A.