Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy teo ny boky mandrafitra ny kolotsaina, ny fomban’ny foko Antanala. Hatramin’izay vahiny foana no nanoratra boky momba azy ka betsaka ny tantara tsy mari-pototra. Manoloana izany indrindra no namoahan’ny Zanak’Antanala boky mandrafitra ny tena kolotsainy sy ireo zava-nisy nanomboka tamin’ny vanim-potoanan’ny faha-mpanjaka ka hatramin’ny fanjanahantany.
Vohitsivala no nampitondraina ny lohatenin’ilay boky. Solombavambahoaka, Brunelle RAZAFITSIANDRAOFA sady Printsy ao amin’ny foko Antanala ihany no nanoratra azy. “Mba tsy ho siosion-dresaka no nandrafetana an’i Vohitsivala dia niarahana tamin’ireo olo-be mihitsy ny fangalana ireo tantara rehetra nilaina”.
Nambaran’ny mpanoratra fa afaka jifaina amin’ny vidiny 25.000 Ariary eny amin’ireo tranom-boky ity boky vaovao ity.
Tamin’io sabotsy io ihany koa no notontosaina ny fifampiarahabana nahatratry ny taona ny Fikambananan’ny ZANTA na Zanaka Antanala.