Raha misy tovovavy miisa 10 mitondra vohoka tsy niriana dia manala zaza ny enina (6) amin’ireo, araka ny vokatry fanadihadiana nataon’ny oniversite Kwazulu Natal, nivoaka ny 2020, natao teto Madagasikara. Tanora 800 tamin’ny faritra efatra no nanaovana ny fanadihadiana: Antananarivo, Antsiranana, Toamasina, Toliary. Ambony kokoa ny tahan’ny fampitsaharana vohoka (IVG) eny an-drenivohitra (68 % na vehivavy 7 amin’ny 10 mitondra vohoka tsy niriana no manao IVG). Latsaky ny 48,3 % ny any ambanivohitra. Ny tena zava-doza dia amin’ny fomba tsy azo antoka no hanaovan’izy ireo izany, araka ny fanadihadiana hatrany. Voararan’ny lalàna anefa ny fampitsaharana vohoka sy ireo olona manampy amin’ny fanaovana izany, araka ny fehezan-dalàna famaizana laharana 317, mbola manamafy izany ihany koa ny lalàna mifehy ny fahasalamana ara-pananahana sy fandrindram-piterahana (2017-043). “Fantatra ihany koa fa niakatra ny tahan’ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH/SIDA, ny areti-mifindra ara-pananahana mihitsy no mihamaro ary efa maro ny tanora mitondra ny tsimokaretina. Miha maro ny tanora no tsy mahavita ny fianarana hatrany amin’ny oniversite, indrindra ny vehivavy noho ny fitondrana vohoka aloha loatra na noho ny aretina”, hoy i Raveloarinanja Dominique – mpikambana ao amin’ny Forum Génération Egalité (FGE), fivondronana iraisam-pirenena ho an’ny fitoviana eo amin’ny lahy sy ny vavy, natsangan’ny ONU, miara-miasa amin’ny firaisamonim-pirenena. Nambarany fa noho ny tsy fisian’ny fanabeazana ara-pananahana feno na “éducation complète à la sexualité” na ECS no mahatonga izany. Zava-dehibe hoy izy ny fanaovana an’io ECS io any an-tsekoly satria “ny olombelona dia misy vatana, misy fivelarana hafa. Eo ny faniriana amin’ny maha tanora, ny fiainam-pitiavana ka io indrindra no ilaina ny fanabeazana ara-pananahana feno satria ireo tanora ireo tsy ho voafehintsika amin’izay fiainana maha olona azy, maha tanora azy. Ny fanabeazana no fomba iray manaraka azy sy mamehy azy, manome fenitra ho an’ny fiainana amin’ny maha tanora azy, tia handrakandrana. Raha voafehiny ny ECS dia tsy hihoam-pefy amin’ny fiainana manimba ny ho aviny sy manimba ny fianarany izy”.
Inona no atao hoe fanabeazana ara-pananahana feno?
Mifototra amin’ny fanomezana antontam-baovao marina sy mifanaraka amin’ny taona momba ny fananahana sy ny fahasalamana ara-pananahana ny ECS. Manampy ny tanora handray fanapahan-kevitra mazava momba ny fananahany sy ny fahasalamany. Ampianarina ao anatin’ny ECS ny fomba “ABCDE” na tsy fanaovana na “abstinence” (A), ny fanajana ny olontiana na tsy fampirafesana na “bonne fidélité” (B), ny fampiasana kapaoty na condom (C), ny fitiliana na dépistage (D) ary ny fanabeazana na éducation (E). “Tsy maintsy mila hita anatin’ny fanabeazana ara-pananahana feno ireo singa ireo vao afaka miteny ho misy ny ECS. Tsy fanabeazana ara-pananahana feno rehefa tsy misy an’ireo antontam-baovao voalaza eo ambony ireo”, hoy i Raparaoelina Tendry, mpikambana ao amin’ny FGE. Ny zava-misy ankehitriny anefa dia namoaka naoty ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny 7 novambra 2023 (2023 -862/MEN/SG) fa voarara ny mitondra fitaovana mivoy ny fampiasana fomba fanabeazana aizana, ao anatin’ny kapaoty, hanaovana fampianarana eny anivon’ny sekoly, manomboka any amin’ny akany fibeazana ka hatrany amin’ny kilasy famaranana. Ny fanabeazana ara-pananahana dia tokony mifanaraka ny lalan-tsaina vohizin’ny Ministera, ao anatin’izany “tsy fanaovana” na “abstinence” ho fiantohana ny fanohizan’ny mpianatra ny fianarany. Tsy famongorana ny fitondrana vohoka eny anivon’ny sekoly ihany no anton’izany fa iadiana amin’ny areti-mifindra ara-pananahana toy ny VIH/SIDA, ny fanabeazana ny tsirairay ho tomponandraikitra amin’ny ho aviny tsara kokoa sy ho an’ny hafa.
Lynda A.