Efa lany teo anivon’ny vaomiera misahana fananan-tany eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny volavolan-dalana momba ny fananan-tany. Aroso ho laniana eny Tsimbazaza mandritra ny fivoriana ara-potoanan’ireo Solombavambahoaka kosa io lalana mifehy ny fananan-tany io ny 07 novambra 2017 raha tsy misy ny fiovana. Nambaran’ny fiarahamonim-pirenena ROHY, Sehatra Iombonan’ny Fananan-tany (SIF) sy ny maro hafa fa manome fahefana be loatra ny mpiasa ao amin’ny sampandraharahan’ny fananan-tany io volavolan-dalana io. “Hita taratra amin’ny fanoratana azy fa mitongilana amin’ny fiarovana teknisiana, mpiasam-panjakana misahana ny fitantanana ny fananan-tany izy ity. Mifanohitra tanteraka amin’ny asan’ny lalana izay atao hiaro ny tombontsoan’ny vahoaka”, hoy ny mpandrindra ara-teknika ny SIF, Eric RAPARISON.
Fanafoanana
Andinin-dalana efatra miaro manokana ny mpiasan’ny sampandraharahan’ny fananan-tany. Iray monja ny lalana miaro ny zon’ny vahoaka. Mamaritra izany ny andinin-dalana laharana faha- 117 ka hatramin’ny 120 ka tokony ho foanana. Voasoratra ao amin’ny andininy 117 fa “hetsika fikomiana na fanompana na fandrahonana ireo mpiasan’ny fananan-tany eo amin’ny fanatanterahana ny andraikiny eny amin’ny toerana samihafa dia heloka hosaziana am-ponja iray volana ka hatramin’ny enim-bolana ary lamandy 100.000 ka hatramin’ny 900.000 Ariary na iray amin’ireo sazy roa ireo ihany”.
Mitaky ny hanafoanana ny andinin-dalana faha-126 momba ny fampiasam-bola ihany koa ny fiarahamonim-pirenena. “Manamafy ny fepetra momba ny fahafahan’ny vahiny mizaka ny fananan-tany, izany hoe mividy tany, araka ny lalana 2007-036”. Manoloana izany, tokony ho esorina ao amin’ity volavolan-dalana vaovao ity izany satria manamafy sy manamarina ny fahafahan’ny orinasa vahiny mividy tany eto Madagasikara. Manoloana ny vola sy ny fahafaha-mividy, mety ho lasan’izy ireo avokoa ny tany ary kasaina omena titra fananan-tany izy ireo matoa misoratra manokana eo ny momba azy.
Fanitsiana
Mangataka ny hanitsiana ny andinin-dalana faha-112, andalana faha-4 momba ny andraikitry ny “Conservateur” amin’ireo hadisoana ataony sy ny fanadinoana momba ny titra fananan-tany sy ny “duplicata” ihany koa ny fiarahamonim-pirenena. Raha misy ny olana, tsy azo arahina intsony ny tomponandraikitra iray aorian’ny telo taona nikirakirany ny antontan-taratasy. “Fohy loatra ilay telo taona hitazomana ny andraikitra sivily fa tokony atao 10 taona mba hisian’ny fitandremana fatratra amin’ny asany. Etsy ankilany, fotoana ela be matetika vao mipoitra ny olana”, hoy ny mpandrindra ny ROHY, Harijaona ANDRIAMORANIAINA.
Santionany amin’ireo teboka kianin’ny fiarahamonim-pirenena misahana ny fananan-tany ihany ireo voalaza ireo. Hatramin’izao nanoratana izao, miezaka hatrany ny manaitra ny sain’ny solombavambahoaka ny tsy handany fahatany io volavolan-dalana io izy ireo. Misy ny tokony ho hahitsy sy/na foanana satria hiteraka fiatraikany ratsy sady mavesa-danja amin’ny mponina maro an’isa, indrindra fa ny tantsaha any amin’ny faritra rehetra eto Madagasikara.