Mankasitraka ny fehin-kevitra navoakan’ny FFKM tamin’ny diniky ny fampihavanam-pirenena ny Vondron’ny Olon-Tsotra na ny VOT. Nandray anjara tamin’ny fampihavanam-pirenena ity vondrona ity ary tao amin’ny vaomiera fahafito sy fahavalo no nisy azy ireo. Araka ny fanazavana, ny hevitra voahangona talohan’ny diniky ny fampihavanam-pirenena no naroson’ny VOT tamin’izany. » Ny fitondrana ny marary amin’ny vahoaka, toy ny sosialy, fanabeazana samy olon-tsotra,.. no hevitra nafonja nentinay », hoy ny filoha Nasionaly Zoé Sarah. Lasa resa-be tokoa ankehitriny ireo fehin-kevitra navoakan’ny FFKM ireo, hoy ity farany. Toa maro ny manakiana sy tsy mankasitraka ireo fehin-kevitra. Midika ho fambolena krizy indray izany hoy hatrany izy. « Ny tombotsoan’ny firenena no tanjona amin’ny fampihavanana ka tsy tokony hifampitsikera fotsiny ». Noho izany, mangataka ny FFKM ny VOT hanatontosa fotoam-pivavahana iraiasan’ny Malagasy rehetra mba hamerenana ny tena fihavanana. Nomarihin’ny filoha nasionalin’ny VOT, ihany koa, fa na dia mpanara-dia an’ i Filoha teo aloha Marc Ravalomanana aza izy ireo, tsy midika manohana olona ireo fa manohana kosa ny foto-kevitra ijoroan’i Marc Ravalomanana.
Lynda A.