VOT: Natao hitsinjo ny vahoaka ve ny mpitondra?

Miankina amin’ny orinasa TIKO ny 80% ny  fiainan’ny mponina ao Vakinakaratra Antsirabe. Amin’ny ankapobeny, ny orinasa no manangona ireo vokatrin’ny tantsaha mpamboly sy mpiompy. Hatramin’izay nisian’ny fahasimbana sy fatiantoka tamin’ny orinasa noho ny krizy 2009 izay anefa dia misy  fiantraikany lehibe ho azy ireo izany. Niverina amin’ny laoniny tsikelikely indray  dia tapahana indray ny jiron’ny orinasa. Manameloka ny fanaovana antsonjay amin’ireo tantsaha ireo noho izany ny VOT na Vondron’ny Olon-Tsotra.

“Hanao antsonjay amin’ny vahoaka Malagasy ve ny mpitondra fanjakana sa natao hitsinjo azy ireo?”, hoy ny Filohan’ny VOT, Sarah Zoe. Tsy hitsahatra ny hanao antso avo amin’ny fitondrana ity fikambanana ity satria ny sosialim-bahoaka aminy no laharam-pamehana.

Nohantitraterin’ny Filohan’ity fikambanana manohana ny foto-kevitra ijoroan’ Atoa Marc RAVALOMANANA ihany koa fa fifidianana tandrametaka, ny fifidianana senatorialy amin’ny 29 Desambra io. “Tsy mbola  tokony izany no vain-dohan-draharaha fa ny mahatery ny fiainan’ny vahoaka Malagasy”. Noterena tahaka ny voalobo-jaza ka tsy maintsy manaraka izay tian’ny fitondrana ankehitriny satria mila mijoro foana ka  tsy tokony hiraviravy tanana. Na dia eo aza izany, manohana hatrany ireo kandida natolotry ny TIM ho an’ny fifidianana senatorialy foana ny VOT.

Lynda A.