VOVONANA MAMPIRAY: Hitarika any amin’ny fipoahana ara-tsosialy ny fitokanana isan-karazany.

“Ny fitokonana nataon’ny Mpitsara farany teo, mety hiafara amin’ny fitokonana faobe (grève générale) tarihin’ireo sendika avy amin’ny sehatra miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana manoloana ny hatezeram-bahoaka sy ny fidangan’ny vidim-piainana”.  Nohamafisin’ny vovonana Mampiray fa hiteraka nenina ho an’ireo minia manampin-tsofina sy tsy mijery lavitra ny fipoahana ara-tsosialy tsy maintsy hitranga ary tsy ho ela eto amin’ny firenena raha mbola mitohy ny fiziriziriana amin’ny tsy fihainoana ny hafa.

Noho izany, manao fanambarana ity vovonana izay tarihin’i Arlette RAMAROSON, Filohan’ny Vovonana Mampiray sady mpitsara Iraisam-pirenena teo aloha fa ny firosoana tsy misy hatak’andro amin’ny “Loabary an-dasy nasionaly ho fanorenana sy fanarenana an’i Madagasikara” no vahaolana tokana tsy hitrangan’izany.

Tanjona amin’izany ny fametrahana filan-kevi-pirenena ho an’ny fanorenana sy ny fanarenana an’i Madagasikara. Mandritra ny “Loabary an-dasy ihany koa no handraisan’ny vahoaka Malagasy an-tanana ny ho aviny amin’ny fandinihana ny fomba hitantanana ireo Nosy Malagasy (îles éparses) efa anatin’i Madagasikara ho mariky ny fiandrianam-pirenena.