“Matahotra miditra birao ny ankamaroan’ny Malagasy noho ny tsy fahafantarana ny tokony aleha sy ireo dingana tokony arahina amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana. Eo ihany koa ny tsindry hazo lena ataon’ireo mpiasam-panjakana”.Vokatry izany, betsaka ireo mbola tsy manana kara-panondrom-pirenena fa indrindra ny kopiam-pahaterahana. Olona miisa 3000 no hozaraina an’izany maimaim-poana. Ny fikambanana Zah Gasy no hikarakara ny hetsika ary ny mpikambana ao anatiny no hisitraka voalohany izany. “500 isaky ny boriborintany no vinavinaina hahazo ity tombontsoa ity”, hoy Jean Navandahy RATIHARISON, Filohan’ny Zah Gasy.
Naneho ny heviny ihany koa ny tenany mahakasika ny COMESA. Nambarany fa tombon-dahiny ho an’ny firenena Malagasy ny fampiantranoana ny fihaonana an-tampony faha-19 ny COMESA. Dingana lehibe hampisokatra indray ny fifanarahana ara-barotra amin’ny firenena hafa. Mila mihazakazaka mampandroso ny indostria ny eto an-toerana anefa ny fitondram-panjakana mba hampiakarana ny tahan’ny famokarana ary afaka hifaninana amin’ireo avy any ivelany.
Lynda Andriatsitonta liked this on Facebook.
Nirina Lalao Claude liked this on Facebook.
Samuel Andrianjaka liked this on Facebook.
Dada’h Vola liked this on Facebook.
Tokinianina Zafindrajaon liked this on Facebook.