ZAH GASY: Tanteraka ve ny adidin’ny fanjakana amin’ny olom-pirenena?

“Raha ny lalam-panorenana Malagasy no jerena dia voafaritra fa mipetraka ho ray aman-dreny ny fanjakana  ary tahaka ny zanaka kosa ny olom-pirenena”. Manana adidy hikolokolo sy hanabe  ny zanaka ny ray aman-dreny  ary ny zanaka manome hasina sy manaja azy ireo. Ankehitriny anefa ny mifanohitra amin’izay no mitranga. Misy elanelana be eo amin’ny fanjakana sy ny vahoaka. Nambaran’ny Filohan’ny fikambanana Zaha Gasy, Jean Navandahy RATIHARISON fa samy milaza ny mety hitondrany azy na ny andaniny na ny ankilany. Ny fanjakana mahita fa izao no mety hitondrany vahoaka . ity farany anefa tsy manaiky fa manana ny heviny tokony hitondran’ny fanjakana azy. Hany ka teraka ny fifandonana.

Izany indrindra no antom-pisian’ny fikambanana. Hiantso ny ray aman-dreny sy ny zanaka hifanatona mba hiteraka tombontsoa ho an’ny roa tonta.

Ho fahatsiarovana ny tolona nataon’ireo mahery fo tamin’ny 29 martsa 1947, nanatitra fehezam-boninkazo teny amin’ny tsangambato eny Ambohijatovo ireo mpikambana ao amin’ny Zah Gasy androany.