ZAH GASY: “Tokony hanao ny asany ny governemanta”

Mitaky fahaiza-mitantana ny fahazoana  ilay famatsiam-bola  mitentina 10 miliara dolara. Mihoatra avo roa heny tamin’ny  eritreretina mantsy ny  vola  azon’i Madagasikara taorian’ny fivoriamben’ny mpamatsy vola sy ny mpampiasa vola. Mari-bola mitentina 10 miliara dolara no nomen’ireto farany ho fampandrosoana ny firenena Malagasy. Rehefa tonga eny am-pelatanan’ny fitondram-panjakana io lelavola io dia mitaky fahaizana mitantana. Ny governemanta no voakasika voalohany amin’izany. “Tokony hanao ny asany ny governemanta”, hoy ny filohan’ny fikambanana Zah Gasy, Jean Navandahy RATIHARISON. Etsy ankilany, mitaky fandraisana andraikitry ny vahoaka ihany koa ny fahazoana io famatsiam-bola io. Nambarany fa efa nanao izany ho afany ny fitondrana fa anjaran’ny olom-pirenena ny ambiny. “Efa fotoana tokony handraisana izany fandrosoana izany izao, ny fihetsehana sy ny fahavononan’ny  mpahazo tombontsoa no andrasana”.

Nohamafisin’ity mpitarika ny Zah Gasy ity ny kabarin’ny Filoham-pirenena tamin’ny fifampiarahabana nahatratry ny taona teny Iavoloha fa nipaka tany amin’ny fampandrosoana tamin’ny taona 2016. Tao ny fanamboarana tohan-drano, ny fanomezana rano fisotro madio…