ZAH GASY: Tsy misy ny vokatra raha tsy miasa.

Anisany hanabeazan’ny fikambanana Zaha Gasy ny mpikambana sy ireo mpiara-belona aminy fa tsy misy zava-mandeha raha tsy miasa. Mitaky hetsika ny fampandrosoana fa tsy misy fahagagana handeha ho azy eo.

Araka ny fanambaran’ny Filoha Hery RAJAONARIMAMPIANINA, mitaky fiaraha-mientana ny hanatontosana ny asa fampandrosoana. Nanamafy izany  ny kabarin’ny Filoham-pirenena, nandritra ny fetim-pankalazana ny faha-57 ny fahaleovantena Malagasy, teny Iavoloha ny Filohan’ny fikambanana  Zah Gasy, Jean Navandahy RATIHARISON. Raha tiana ny hampandroso ny firenena dia mila miara-miasa sy miray hina ny Malagasy fa tsy variana mifanakiana fotsiny dia vao maika taraiky eto ihany.

Anisany hitondra ny anjara biriky ho fanatanterahana izany ny fikambanana ka amin’ny volana jolay ho avy izao, hanao hetsika ho fampahalalana ny lalana velona  rehetra eto Madagasikara  tokony ho fantatry ny Malagasy. Tanjona eto dia ny ahafahan’ny olom-pirenena mahafantatra ny zony ary mitaky izany.