Fanamarihana ny fankalazana fetim-pirenena. Fizarana fanomezana ho an’ireo sahirana avy ao amin’ny FJKM Antanety Fitahiana Ambohimanarina no nanamarihan’ny AIFM Madagasikara (Alliance Internationale des Femmes de France et Madagascar) ny fankalazana ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Ny 25 jona 2020 teo dia nanolotra lamba firakotra mafana (couette) ho an’ny beantitra miisa 12, akanjo mafana ho an’olon-dehibe sy ankizy miisa 24 ny fikambanana. Ankoatra izany, samy nahazo vatomamy sy tsindrintsakafo avokoa izy 36 mianadahy mianaka.
Nohamafisiny fa Ramatoa Ranaivo Francine no mpanorina ny AIFM. “Tany Frantsa no niandohan’ny fikambanana noho ny fitiavan’ny Filoha mpanorina ny vehivavy Malagasy nila ravinahitra tany ivelany izay nandalo fotoan-tsarotra. Asa soa hanampiana an’ireo vehivavy ireo no tena tanjony. Ankehitriny, manampy sy manome tantsoroka ny ankizy ihany koa ny fikambanana ary niitatra teto Madagasikara izany”, hoy Rasendralalao Hantanoro.
Lynda A.