ASA FANAOVAN-GAZETY: Natao ankisitrisitrika ny fihaonan’ireo mpanao gazety vitsivitsy.

“Fihaonana antsokosoko no nataon’ireo  mpanao gazety  vitsivitsy sy ny Filoham-pirenena satria tsy nisy ny  fifampierana tamin’ny mpanao gazety rehetra manerana ny Nosy  na dia hita teny Iavoloha aza ny Filohan’ny Holafitra”, hoy ireo filoha lefitra sasany.  Nambaran’i Didi  RATSIMBAZAFY, Filoha lefitry ny OJM eto Antananarivo,  fa tsy nahasolo tena ny mpanao gazety miisa 1253, manana karatra matihanina ireo andiana mpanao gazety nihaona tamin’i Hery RAJAONARIMAMPIANINA. Noho izany, fampisaraham-bazana ireny tranga ireny.

Etsy ankilany, ny lalana ny serasera no votoatiny ny fihaonana. Be dia be  ny mpiantsehatra ao anatin’izany kanefa azo isaina amin’ny ratsa-tanana no teny amin’ny Lapam-panjakana.