ASA SOSIALY: Mbola malalaka ny sehatr’asa

Mitombo isan-taona ny mpianatra mandranto fianarana momba ny asa sosialy. Misy karazany telo ny asa azo atao amin’izany. “Assistant social” no iantsoana ireo manampy ny olona marefo ara-moraly, “éducateur specialisé” kosa ho an’ireo manampy ny manana olana ara-pahasembanana na mania amin’ny fiarahamonina  toy ny voafonja ary “animateur de développement  social” ho an’ireo miasa ho an’ny olona eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Araka fanazavan’ny  tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny ISTS (Institut Supérieur de travail Social), Landry Rambelomanana, asa sahanin’ny “animateur de développement  social” ny fampivoarana ireo olona mipetraka any ambanivohitra  amin’ny fomba ialana amin’ny fangerena ankalamanjana,  ny fampiasana ny rano fisotro madio…

Mbola malalaka ny sehatr’asa raha ny lafiny asa sosialy no jerena. Betsaka ireo tanora maharisika mandala ireo lalam-piofanana  momba ny asa sosialy. Ho an’ny ISTS manokana, nandray mpianatra in-telo mihantaona izy tamin’ity taom-pianarana 2018 ity.