ASAN-DAHALO: Hametraka ny dinany manokana ny Distrikan’i Mandoto.

Mbola tsy voafehy  ny dinan’ny faritra Vakinankaratra tanteraka ny tsy fandriam-pahalemana sy ny asa dahalo na dia efa nisy aza ny fandraisana andraikitra nataon’ny fitondram-panjakana. Ho an’ny distrikan’ i Mandoto  izao dia ny halatr’omby no tena mibahana  ka anisan’ny mampikaika ny mponina. Manoloana izany,  hanatanteraka atrik’asa hifanakalozan-kevitra hametrahana ny dinan’ny Mandoto manokana ireo tompondraikitra  voakasika izany  sy ireo hery velona rehetra amin’ny faha-13 sy 14 ny volana jona 2016 ho avy izao. Nohamafisin’ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’ i Mandoto, Nantenaina ANDRIAMBOAVONJY fa ny firaisan-kinan’ny vahoaka no hany lalan-tokana hiadiana amin’ny asan-dahalo sy ny tsy fandriampahalemana.

Noho ny fangatahan’ny vahoaka, efa nisy ny fanampian’ny Ministeran’ny  Foloalindahy sy ny Faritra ny kaominina Betsoahana. Miaramila miisa dimy antsoina hoe  “DAS na Détachement Autonome de Sécurité” no nalefa tao amin’io kaominina io ho fanamafisana ny ady atao amin’ny tsy fandriam-pahalemana.  “Isaorana ireo tompondraikim-panjakana ireo fa namaly ny fangatahan’ny mponina”.

Mbola hitohy hatrany  ny ezaka ho an’ny kaominina hafa mandrafitra ny Distrika.