AVANCE CENTER : Hofaina 70.000Ar isaky ny metatra toradroa ny tsena.

Nitokona indray ireo mpivarotra rehetra ao amin’ny Avance Center ny Alatsinainy teo . Nikatona avokoa ny tsena rehetra ny tapaka andro maraina ary nilanja sora-baventy teo ivelany avokoa izy ireo.Tohin’ny fitakiana nataon’izy ireo mahakasika ny fampiakarana ny hofan-trano ity fitokonana ity. Tsy nety nifampiresaka sy nihaino ny hetahetan’ireo mpivarotra ilay Sinoa tompon’ny tranombarotra.

Lasa hofaina 70.000 Ariary isaky ny metatra toradroa ny tsena ao amin’ity tranombarotra lehibe ity.Raha 400.000 Ariary ny hofan-trano teo aloha, niakatra ho 900.000 Ariary amin’izao fotoana izao. Mitaraina ireo mpivarotra manoloana izany. « Tokony hisy foana ny fifampiresahana mialohan’ny fampiakarana ny hofan-trano. Tsy nisy anefa izany fa toa fandrahonana sy valin-teny anavona no azonay », hoy ny solontenan’ny mpivarotra.

Nohamafisin’ny mpisolovavan’ireo iharan’ny fanararaotana, Rabelaza Dina Andriamisetra ihany koa fa tokony hifampiresaka ny mpivarotra sy ny tompony. Raha tsy mbola misy ny marimaritra iraisana eo amin’ny roa tonta dia ny fitsarana no hamaritra ny hofan-trano.

Marihina fa niverina amin’ny laoniny ny fivarotana ny atoandro.

Lynda A.