BAKALOREA: 74.577 ny mpiadina ho an’Antananarivo sy ny manodidina.

74 taona no zokiny indrindra ary 12 ny zandriny indrindra amin’ireo mpanala fanadinana bakalorea miisa 74.577, ho an’ny fari-piadidiana an’Antananarivo sy ny manodidina. Ny alatsinainy 24 ary hifarana ny 27 jolay ho avy izao ny  fanadinana ara-panjakana bakalorea  2017. Ny zoma kosa ho an’ireo mpiadina manao ny adina an-tsoratra ny taranja fanatanjahantena. Nomarihin’ny Filohan’ny Oniversite Antananarivo, Panja RAMANOELINA fa miaraka amin’ny manomboka amin’io datim-panadinana ho an’ny fampianarana ankapobeny ihany koa ny an’ny sampana teknika.

Saro-pady ny fanadinana bakalorea. Nambaran’ny tomponandraiktra voalohany ny oniversite Antananarivo fa dingana famaranana ny kilasy ambany, ahafahana miditra amin’ny sehatry ny asa ho an’ny bakalorea teknika ity fanadinana ity. Fepetra takiana amin’ny hidirana eny amin’ny fampianarana ambaratonga ambony ihany koa ny fananana diplaoma BACC.

Mirary fahombiazana ho an’ny mpiadina rehetra na eto Antananarivo na any amin’ny faritra ny tomponandraikitra misahana ity fanadinana ity.