Ho raofina avokoa ireo vovoka amin’ny lalana mirefy 18 km ao amin’ny kaominina Ampitatafika. Ho fisorohana ny fotaka rehefa vanim-potoanan’ny orana no antony izany. Etsy ankilany, vinavinaina hatao rari-vato ireo lalana ireo , araka ny fanambaran’ny Ben’ny Tanana an’Ampitatafika, Rado RAMPARAOELINA. Fokontany 10 no voakasiky ny tetikasa ary asan-tana-maro no hanatanterahana izany.
Amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra izao, hotsongaina manokana ireo sahiram-pivelomana amin’ny fanaovana ny asa. “Ho fanampiana azy ireo ray aman-dreny amin’ny fividianana ny fitaovam-pianatra sy ny fandoavana saram-pianarana ity tetikasa ity”.
Volany ny kaominina madiodio miampy ny fiaraha-miasa amin’ny Filoha teo aloha no hanatontosana ny fanamboaran-dalana.
Marihina fa 4000 Ariary ny tambin-karama.