“Bye, bye Rajaonarimampianina” hoy i Tabera Randriamanantsoa

Maro karazana ireo fanehoan-kevitra taorian’ny famaranana sy famoahana ny fehin-kevitry ny Fampihavanam-pirenena nokarakarain’ny FFKM teny Ivato. Iray amin’ireny ny an’i Tabera Randriamanantsoa.

 

Tsotra ny vokatra naterak’iny fehin-kevitra iny” hoy Tabera Randriamantsoa raha naneho ny heviny mikasika ny fehin-kevitry ny Fampihavanam-pirenena izy. “Tsotra satria dia midika fa bye bye Hery Rajaonarimampianina ny vokatr’iny fehin-kevitra iny raha tanterahina” hoy izy. Ho anay mitaky ny fametrahana ny CNR Conseil National de Réconciliation hatramin’ny taona 2002 dia tsy hitondra fitoniana velively iny fehin-kevitra iny. Korontana tanteraka no hitranga raha tanterahina ny fehin-kevitra. Mazava fa mitaky ny fanafoanana ny Antenimieram-pirenena ny mpizaika satria tsy manana depiote ao ny HVM ka izay no antony hitakiana ny fanafoanana ny antenimieram-pirenena. “Korontana no hitranga satria tsy hanaiky mora foana ny depiote izany lanim-bahoaka” hoy Tabera Randriamantsoa.

 

Rehefa henoina tsara ny kabarin’ny Filoha Ratsiraka sy ny an’ny Filoha Ravalomanana dia tsapa fa efa voarafitra mialoha ny vokatry ny fehin-kevitra. Tsapa fa fehin-kevitry ny Communauté Internationale ireny novakiana tao ireny. Inona no hitranga ? Hisy korontana vaovao indray eto. HO tombontsoan’iza izany ? Ho tombontsoan’ireo vahiny mpanjanaka sy te hanjakazaka eto amin’ny firenena ihany fa tsy mankany amin’ny fampihavanana velively. “Azoko lazaina fa mbola tohin’ily tetika NI… Ni ihany izao” hoy tabera mpitantana ny CNR. “Izao vokatra izao dia manome rariny an’i Pr Zafy raha nisintaka niala tao amin’ny fampihavanana nokarakarain’ny FFKM izy. Tsinjony ny fa hiafara ratsy izao ezaka izao” hoy ity minisitra teo aloha ity.

 

Ny tena mampalahelo anay dia isan’ireo nitaky ny handraisan’ny FFKM ny ezaka fampihavanana izahay. Faly izahay raha nitsanganany FFKM. Nanolo-tanana izahay saingy… nailika izahay ka tsy afaka nandray anjara tamin’ny fanomanana. Nanambara Tabera Randriamantsoa fa efa naravona sy vita boky ny dinika momba ny fampihavanam-pirenena araka ny nataon’ny CRN. Ho anay ny fehin-kevitra lany raha izahay no nikarakara dia natolotra ny Antenimieram-pirenena mba ho lasa lalàna ary azo ampiharina avy hatrany. Tsy izay anefa ny an’ny FFKM fa ny fandravana ny Antenimieram-pirenena no takiana. Iza no hamadika ho lalàna ny fehin-kevitra ? Tena manamafy izahay fa fehin-kevitra efa voasoratra mialoha io fa tsy an’ny mpizaika velively.

 

Mbola hamafisiko fa raha misy ny korontana dia tsy maintsy miafara amin’ny fanalana ny Filoha Rajaonarimampianina izany. “Bye, bye Rajaonarimampianina” kanefa tsy maniry korontana izahay.

 

Nanangona Ravaoarisoa Ginette